Ny alahadin’ny Pentekôsta teo no tsikaritr’ireo mpivavaka ny fahabangan’ny tilikambom-piangonanana. Tsy tazana teo intsony ilay lakolosy lehibe, aman-jatony kilao. Hatairana tokoa ny an’ireo kristianina tao amin’ity fiangonana iray tao amin’ny tanànan’i Mahazoarivo, any amin’iny distrikan’i Fandriana, faritra Amoron’i Mania, raha tsy naheno feon-dakolosy intsony ny andron’ny Pentekosta teo. Tsy tazana teo amin’ny toerana mahazatra intsony mantsy ity fonjam-by lehibe mpiantso ny mpiangona ity. Nampanantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ary efa tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana. Raha ny angom-baovao azo voalohany dia tsy azo ihodivirana ny fisian’ny fangalarana. Ny fotoana sy ny fomba nangalaran’ireo olon-dratsy izany anefa no mbola tsy fantatra mazava loatra. Marihina fa raha ny fampitam-baovao azo, dia anisan’ny manan-danja ho an’ity fiangonana ity io lakolosy very io, satria dia anisan’ny mirakitra ny tantaran’ity trano fivavahana ity. Etsy andanin’izay, lasa niteraka fahatahorana ho an’ireo mponina sy mpino manodidina ity tranga ity. Manahy mantsy ny rehetra sao dia miverina indray ilay zava-nisy taona vitsy lasa izay, izay nampirongatra ny halatra lakolosim-piangonana tamin’ireo faritra maro teto amintsika, indrindra fa ireo efa somary tranainy. Na izany na tsy izany anefa aloha, efa eny am-pelatanan’ny mpanao fanadihadiana ity tranga ity ary efa mandeha ny fikarohana ilay zavatra very sy izay olona mety hahavita izany asa ratsy izany any an-toerana.
m.L