- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Namoaka basy ny tompon-trano vao nitsoaka ny jiolahy

Mahazoarivo : Namoaka basy ny tompon-trano vao nitsoaka ny jiolahy

Sahy ny tompon-trano ary tena nisy fiantraikany tamin’ny jiolahy nanafika azy izany. Navoakany ny basy ary napoakany. Rifatra nitsoaka ireo olon-dratsy ary niverina haingana ny filaminana. Ny alatsinainy teo no nanafika ny tsena iray izay mpivarotra entana avy any Lafrantsa, toa ny whisky sy ny ranomanitra tsara kalitao. Efa tafiditra tao anatiny ireo olon-dratsy ary namoaka ny basiny. Fa sahy ihany koa ny tompon’ny tsena ary namaly izany. Tsy nisy na inona na inona azon’ireo mpanafika vokatr’izany. Izay naharaka ny vaovao dia nametraka soso-kevitra avy hatrany ny amin’ny tokony hanamoràna ny fitazomana fitaovam-piadiana ho an’ny olona mendrika izany. Isan’izany ny mpivarotra izay tena tetezin’ny mpanao ratsy hatrany eto an-drenivohitra, kanefa tsy afa-manoatra. Toa efa lasa fahazarana fotsiny ny fahenoana fanafihana ankehitriny ary misy aza ny toeram-pivarotana izay efa intelo niverenan’ny mpanafika, ary dia ekena sisa ny fandalovan’ireo farany mba hiarovana ny aina. Raha ny zava-misy dia ny jiolahy no tena betsaka mitazona basy ankehitriny, ankoatra ny mpitandro ny filaminana, mazava ho azy. Efa fantatra fa mirongatra ny fiparitahan’ny basy, efa fantatra koa fa tsy ho ary ho araky ny mpitandro ny filaminana avokoa ny fisian’ny fanafihana etsy sy eroa. Dikan’izany, ny olon-tsotra izany no mila miaro tena ary isan’izany ny fanamorana ny fitazomana fitaovam-piadiana ho an’izay mendrika izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici