- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Notifirina basy, dia nariana teo an-tokotany ny fatiny

Mahazoarivo : Notifirina basy, dia nariana teo an-tokotany ny fatiny

Nirefotra ny basy  omaly, manodidina ny tamin’ny sivy ora sy fahefany alina. Taitra ny manodidina ary vetivety ihany koa dia tonga ny pôlisy nanao ny fisafoana rehefa nisy nampandre. Nokarofana tao anatin’ny haizina ny niavian’ny feom-basy ary teny an-dàlana no nahitàna fa vehivavy nihoson-drà, efa tsy nisy aina intsony. Voatifitra ny vatany raha araka ny fanazavana azo tamin’ny olona teo amin’ny fokontany. Ramatoa iray izay manambady teratany vahiny izy io. Tsy  teto an-toerana rangahy tamin’ny fotoana nitrangan’ny asaratsy. Nisy nanafika tao an-tranony izy, raha araka ny fanampim-panazava azo tamin’ny fokontany manodidina. Ambohidrahenika, fokontany iray ao Mahazoarivo ary mipaika aty Ivanja raha tohizana kely, no nitrangan’ilay vono olona. Tsy mifanalavitra loatra ny lapan’ny Praiministra ihany koa ilay toerana, aty ambadiky ny tambohony raha ny marimarina kokoa. Nisy nanafika tao an-tranony ilay ramatoa ary norohitin’izy ireo nivoaka tao no sady notifirina basy ihany koa. Taitra ny olona raha naheno ny feom-basy no sady nifampanontany ny zava-nitranga. Noheverina fa, ny pôlisy no nitifitra fa rehefa tena nohamarinina dia asan-jiolahy no nitranga. Nisy avy hatrany ny fivoriana niraisan’ny tomponandraikitry ny fokontany manodidina, niarahana tamin’ny mpitandro ny filaminana , omaly. Naharitra ny tapak’andro hariva iray manontolo izany ary isan’ny tapaka ny fifanomezan-tànana amin’ny ady amin’ny tsy  fandriampahalemana. Ny kaomisarian’ny boriborin-tany faharoa no hiandraikitra ny fidinana an-tsehatra raha vao misy ny antso ataon’ny sefo fokontany tsirairay avy. Ireo farany ihany koa dia nomena ny toromarika rehetra raha vao misy ny mampiahiahy sy ny mety ho fanafihan-jiolahy. Ao anatin’izany rehetra izany, dia nanapa-kevitra ny rehetra ny hanadiovana tanteraka iny toerana iny ary hanaovana haza lambo izay olon-dratsy mampiahiahy. Isan’ny nahafantarana an’iny faritra iny ny fisian’ny mpaka an-keriny nipetraka teny amin’ny manodidina. Nisy ihany koa ny fanafihan-jiolahy nisesy. Tsy izay ihany fa mbola nisesy ihany koa ny fanolanana vehivavy sy famonoana tamin’ny « bois rond ». Izany anefa dia efa nangina tanteraka rehefa nanomboka nivezivezy teny ny pôlisy isan’alina. Nanaitra ny tomponandraikitra avy hatrany ilay vono olona afak’omaly ary hampihetsika bebe kokoa azy ireo amin’ny fampandriana fahalemana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici