Noho ny ezaka manokana nasehoan’ireo pôlisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa, nampian’ireo avy ao amin’ny UIR, dia jiolahy roalahy, avy nanafika trano fandraisam-bahiny teny Mahazoarivo no sarona. Mbola mitohy anefa ny fikarohana ireo namany raha ny angom-baovao azo amin’izao fotoana izao. Raha ny zava-nitranga : trano fandraisam-bahiny iray teny amin’iny faritra Mahazoarivo iny no lasibarty ny fanafihana andian-jiolahy mitam-basy omaly maraina. Tonga naka efitra hatoriana tao amin’ity toerana ity ireto olona ireto. Tamin’io maraina io anefa, dia nivadika ho jiolahy ireto andian’olona ireto, ary nanambana basy ny tompon-trano. Tsy vitan’izay fa mbola nofatoran’izy ireo ny mpiambina. Tapitra nalain’ireto andian-jiolahy ireto avokoa izay entana lafovidy rehetra tao amin’ilay trano fandraisam-bahiny. Tsy naka sarotra nony avy eo ry zalahy fa ny fiara tao amin’ilay toerana ihany no nitondran’izy ireo, ireo entana halatra. Ny ratsy atao anefa loza mihantona ka nony tonga teny Ambanidia dia maty ilay fiara nangalarin’izy ireo. Teo no ho eo ihany dia nafindra tamina taxi iray teny an-toerana ireto entana. Tamin’io fotoana io no tsikaritry ny pôlisy, izay nanao fisafoana teny an-toerana ho nampiahiahy ny fihetsik’ireto olona ireto ka nanatona azy ireo hanao fisavàna. Nitsoaka avy hatrany anefa ireto farany, ary raikitra teo ny fifanjehana nataon’ireo pôlisin’ny boriborintany faharoa. Ny lehiben’ireto farany mihitsy no nirotsaka tamin’ny fanenjehana ireto olon-dratsy ireto, izay nampian’ny pôlisy teo anivon’ny UIR, izay tonga nanatevin-daharaha. Raha ny fantatra dia efa tany amin’ny faritra Ankadimbahoaka tany vao nisy tratra ny roa tamin’ireo olon-dratsy niaraka tamin’ireo entana halatra. Mbola nitohy moa teo ny savahao ny manodidina sy ny fikarohana ireo tafatsoaka hatreto. Ary inoana fa tsy ho ela dia ho hivaly izany.
m.L