- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoarivo : Tovolahy naratra voadonan’ny fiara, nanjavona tsy hita popoka

Mahazoarivo : Tovolahy naratra voadonan’ny fiara, nanjavona tsy hita popoka

Voamarina ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana izay nitarika ny faharatran’ny tovolahy iray 19 taona. Nandre izany ny fianakaviany ary nahita maso izany koa ny namany. Ireo dia samy nampandre avy hatrany ny zandary avokoa. Ilay naratra indray, raha ny vaovao azon’ny tsirairay izay voatonona etsy ambony, dia nentin’ilay mpamily nandona azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Tonga teny amin’ny toerana nisian’ny lozam-pifamoivoizana ny mpitandro ny filaminana ary rehefa avy eo dia nitety ny hopitaly izay nisy teto an-drenivohitra. Tsy nahita ilay tovolahy. Nanomboka teo amin’izay ny fanahiana sao mba nisy zava-nanjo ilay tovolahy indray koa, ankoatry ny lozam-pifamoivoizana izay nitarika ny faharatrany. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana rehefa nametraka fitoriana ny fianakaviana ary nandeha ny fikarohana ilay tovolahy sy ny tompon’andraikitra tamin’ny lozam-pifamoivoizana, dia ilay mpamily ny fiara izany. Inona no nanjo ity tovolahy ity? Sanatria ve dia nariariana teny an-dàlana teny mba hialàna amin’izay andraikitra sy mety ho fitsaboana azy? Soa fa mba nisy namany nahita ilay lozam-pifamoivoizana ary iny no nitatitra tany amin’ny zandary ny zava-niseho. Tsy vitsy ny olona ankehitriny no mitsoaka rehefa nandray anjara tao anatin’ny lozam-pifamoivoizana. Ny voalohany dia fitsoahana andraikitra tsotra izao fotsiny. Izany anefa dia mampivadika tanteraka ny raharaha raha sendra ka fantatra ny momba ilay olona. Mitombo ny fiampangana azy ary mety ho azo kilasiana ho heloka bevava aza. Ny antony faharoa indray matetika dia noho ny tahotry ny saofera sao hiharan’ny fitsaram-bahoaka sy ny mpanararaotra. Dia misy amin’izy ireo ny mitsoaka, saingy mitolo-tena avy hatrany any amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana  rehefa avy eo. Samy fitsoahana andraikitra avokoa izany saingy ilay faharoa mba inoan’ny mpanao fanadihadiana ihany matetika, satria tsy vitsy ny mpanararaotra raha vao mitranga ireny loza ireny. 

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici