Ramatoa iray vao vita mariazy ary miandriandry fiterahana no niharan’ny herisetra tetsy Mahazoarivo. Omaly tolakandro no nitranga izany raha hiakatra tao anaty Taxi-be 139 teo Ambohimiandra ity ramatoa ity rehefa avy naka vola tao amin’ny banky BNI eny an-toerana. Noho ny hamaron’ny mpandeha dia somary nisy fifanosehana teo am-baravan’ilay taxi-be. Tafiditra ihany anefa ity vehivavy mitondra rano ity. Nony haka toerana anefa izy, nisy ramatoa iray toa kizitinjitina teo anoloany. Tsy rony tsy ventiny, tonga dia novelesin’io ramatoa io tamin’’ireny lazain’ny taxi-be hoe “seza volamena” ireny ny kibo sy lohan’ilay vehivavy bevohoka. Nianjera ary tafavoaka tety ivelany mihitsy ilay ramatoa. Nisy akony avy hatrany tamin’ny fahasalamany izany ka nahatonga ny olona nandray andraikitra nitondra ilay nahavanon-doza teny amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-2 etsy Ambohijatovo. Na teo aza izany, tsy mba nisy fifonana akory nataon’ity Ramatoa namely ity tamin’ilay nanaovany herisetra. Izy indray aza no mbola nanao vava be rehefa tonga teny amin’ny kaomisarian’ny polisy. Ilay ramatoa bevohohoka kosa rehefa nentina namonjy toeram-pitsaboana dia tsy maintsy nahiditra hôpitaly omaly hariva ihany. Voalaza fa tsy maintsy hiakatra Fampanoavana anio ity raharaha ity.
T.M.