Raikitra ny fifamaliana teo amin’ity vehivavy sy ny zaodahiny, omaly maraina, teny Mahazoarivo Atsinanana. Niakatra be ny feo, hoy ireo nahare. Voalazan’ny vaovao, fa tsy nahatanty izany feo izany ilay lehilahy, ka dia nasiany tamin’ny antsy ilay ramatoa. Voa teo ambany heliny ity farany ary dia nijininika ny rà. Tafiditra lalindalina ihany ny antsy. Naratra mafy tokoa ilay zaobavy ary tsy maintsy nentina hopitaly. Afaka fotoana fohy anefa, ankeviny nokaikerin’ny nenina ilay lehilahy, ka nanandrana namono tena. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa hoe nihinana fanafody izy. Nisy nahita izany koa, dia novonjena ny anao lahy. Nikoropaka ny olona nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Avotra soa man-tsara ny ainy, hoy hatrany ny vaovao. Amin’izao fotoana izao, samy mbola manaraka fitsaboana na ilay zaodahy na ilay ilay vehivavy.
r.s.