- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazomà - Betsiboka : Miaramila iray voatasatoky ny dahalo antsy teo amin'ny...

Mahazomà – Betsiboka : Miaramila iray voatasatoky ny dahalo antsy teo amin’ny kibony

Mitohy hatrany ny hetsika fampandrian-tany ataon’ireo miaramila avy ao amin’ny rezimanta fahafetra Mahajanga, mandritra ny enim-bolana ato antin’ny disitrikan’i Maevatanàna, mba hamerenana tanteraka ny filaminam-bahoaka. Manomboka miverina indray no sady manao sesilany indray ny asan-jiolahy aty amin’ny faritra Betsiboka tao ho ao izay, ka izay no antony hisian’ny hetsika hiadiana amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana na “Opération” any an-toerana. Rehefa nizotra nihazo ny kaominina ambanivohtra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ireo miaramila mapandry fahalemana dia nahazo vaovao avy tamin’olona tsara sitra-po, fa misy jiolahy roa lahy mialokaloka any andafiatsimon’i Matsamena Mahazomà, izany hoe any amin’ny tanànan’i Maroakanga, kaominina Maria. Nisy avy hatrany vela-pandrika nataon’ireo mpitandro ny filaminana azy ireo, ka noraisim-potsiny sy tsy afa-nihetsika izy roa lahy rehefa. Natao ny fanadihadiana azy roa lahy, ka nanoro ireo namany teo amin’ny manodidina, izay tsy mifanalavitra amin’ny kaominina Maria ihany. Tsy niandry ela ny miramila fa tonga dia niroso tamin’ny fikarohana an’ireo jiolahy naman’izy roa lahy. Nony tonga tany Manidibatana ny mpitandro ny filaminana sy jiolahy roa hoentina hanoro ny namany, somary efa miroso alina ny andro, ka voatery namonjy fatoriana sy niandry maraina. Teo no nanita-kevitra ny iray tamin’ireo dahalo rehefa resin’ny toromaso ny miaramila, ka nanala ny tady mifatotra tamin’ny tanany. Nikoropaka ny mpitandro ny filaminana iray mpiambina azy ireo niezaka nihazakazak malaky. Iny hanarona azy iny ity no voatsatoka antsy teo amin’ny tanany sy ny kibony havia ary niantso vonjy tamin’ireo namany. Taitra izy ireo, ka nofatorana amin’ny tady indray ny lehilahy, ka namaly totohondry. Niaro tena ny miaramila ka nanapan-kevitra nitifitra azy roa lahy rehefa nahazo baiko avy any amin’ny lehiben’izy ireo ao Mahajanga. Maty teo no ho eo ny jiolahy roa lahy, satria namono biby tsy nahafaty. Izy ireo ihany koa no voalaza, raha ny fahamarinam-baovao voaray avy any an-toerana, fa tompon’antoka tamin’ny famonoana filoham-pokontany tany amin’ny kaominina ambanivohtra Morafeno/Boana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Noezahina nentina tany amin’ny hopitaly be Morafeno kely Maevatanàna ilay miaramila naratra, ka tsy vita taty an-toerana, ary nalefa any Mahajanga. Efa nahazo fitsaboana saha azy moa ny tenany ka tsy atahorana intsony ny momba azy. Mitohy hatrany hetsika fampandrian-tany sy fikarohana ireo malaso ato amin’ny faritra Betsiboka ataon’ny mairamila.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Na izao filazan »ny mpanao gazety izao no jerena dia famonoana olona fotsiny tsotra izao ity tranga ity fa na inona heloka vitany dia tsy manana halalana hamono olona ohatra izao ny miaramila na baiko avy aiza izany na avy aiza

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici