Rehefa niaina tao anatin’ny hafanana nihoam-pampana ny ankamaroan’ny mponina tany amin’ny kaominina Mahazomà; izay misy tamin’ireo olona mihitsy no nagataka orana tamin’ilay nahary. Asa na fifanandrifin-javatra ny filatsahany orana izay nangatahan’olona any an-toerana. Rehefa nilatsaka ny orana ny Zoma alina teo dia zavatra hafa no niseho satria nirefotra ny varatra teo an-tapon-tananan’i Mahazomà. Ankizy roa lahy samy amin’ny toeram-ponenany no nilatsaham-potaka tampoka. Maty tsy tra-drano izy roa ireo tokony tamin’ny folo ora alina tany ho any. Marihina fa mpianatra ao amin’ny liseam-panjakana ny iray raha mianatra ao amin’ny sekolin’i Masera ny iray hafa. Tamin’ity herinandro ity moa izy roa ireto no nalevina. Very fanahy mbola velona nanoloana izao tranga izao ny vahoaka.
Ratantely