Nirefodrefotra indray ny feom-basy tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny alahady 05 septambra lasa teo. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva teo no niseho ny fanafihan-jiolahy tao amin’io tanàna voalaza etsy aloha io. » Tranom-barotra iray no lasibatra. » Nofaohin’ireo malaso ny vola iray baoritra sy ny firavaka volamena tao. Raha ny fantatra dia efa-dahy no namita ny asa-ratsy. Ny telo tamin’ireo mitam-basy ary ny anankiray ihany no nitondra famaky. Nitaky vola tao amin’ilay tsena izy ireo raha vao tonga. Nambanany basy ilay ramatoa sy ny ankizy, ka tsy nisy afaka nanohitra. Lasa tamin’izany ny vola rehetra tao. Vetivety monja ny fanafihana. Lasa nitsoaka ireo jiolahy sady nanapoaka basy. Inenina nirefotra ny basy, ka tsy afa-nihetska ny zandary sy ny miaramila teo an-tanàna. Nandositra nianavaratra ny dian’ireo malaso. Tsy nisy nanao saron-tava ihany koa ry zalahy fa samy nanao satroka misy mba hanakomany ny endriny avy, araka ny fitantaran-dRamtoa Nirina izay niharam-boina taminay hatrany. Taorian’izay no tonga nanao ny fanenjehana ny zandary sy ny miaramila, saingy efa tsy tratra intsony ireto mpanao ratsy. Marihina fa mbola tsy voafaritra tsara ny lelavola sy ny firavaka volamena lasan’ireo dahalo, ary tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy nandritra ny fanafihana niseho. Mandeha ny fikarohana sy fanenjehana ny malaso. Efa eo am-pelatan’ny mpitandro ny filaminana.
Ratantely