- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazomà -Maevatanàna : Maty voatifitry ny Zandary i Zaman’olovine dahalo raindahiny

Mahazomà -Maevatanàna : Maty voatifitry ny Zandary i Zaman’olovine dahalo raindahiny

Efa aman-taonany maro no nanaovana fikarohana an’ilay dahalo fantatra amin’ny fiantso hoe : Zaman’olovine, izay miara-miasa amin’ny Tence Mena sy Revato amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana, ary fakana an-keriny niseho ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna sy disitrikan’Ambatoboeny iny. Izay tokoa no tonga amin’ilay fitenena manao hoe : misy farany ny ratsy atao no manam-pataperana, ka izao tonga tamin’ny fahafatesan’i Zaman’olovine izao ny raharaha, nohon’ny ny ratsy nataony. Raha ny vaovao mari-pototra voaray teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka dia nidina nalaky tany amin’ny manodidina faritra Mahatsinjo valala, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà ny lehiben’ny zana-tobim-paritran’ny Zandary any an-toerana, niaraka tamin’ireo ekipany, rehefa nahazo antso an-taribia makasika ny fisian’io dahalo raindahiny mihaodihaody any amin’ny toerana voalaza etsy aloha io, mba hiroso amin’ny fisamborana azy. Iny efa nahatazana ny mpitandro ny filaminana iny lehilahy dia nitari-dositra sy nanapoaka basy, saingy mbola nampijanonina tamin’ny alalan’ny tifin-danitra ny tenany no tsy nanaiky niverina sy nijanona. Teo no voatery tsy maintsy nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany, ireo Zandary, ka maty tsy tra-drano avy hatrany i Zaman’olovine. Ny angom-vaovao ihany koa no nahalalana fa mponina avy ao amin’ny Mahatsinjo valala ity farany, saingy miala misitaka tanàna, vokatry ny ratsy atao efa ela. Ny vaovao voaray ihany koa no manamarina, fa anisan’ny atidoha nikotrika tamin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana maromaro niseho tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà sy Madiromirafy, ary kaominina ambanivohitra Ankirihitra/Ambatoboeny i Zaman’olovine. Izy ihany koa no namono nahafaty an’i Sonize sy Sonaza tao amin’ny fokontany Mahatsinjo valala ny volana Oktobra taona 2022 sy Iban’i Rafenina tamin’ny taona 2020. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa nahitana zava-dratsy sy ody gasy maro tao an-tranony.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici