- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : Mirongatra indray ny vaky trano

Mahazomà-Maevatanàna : Mirongatra indray ny vaky trano

Sesilany indray ny vaky trano any amin’ireo fokontany maromaro  ao an-tampon-tanànan’ny  kaominina Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tokantrano maro no lasibatra, hatramin’ny fiandohan’ny volana may sy ny volana jona no mankaty. Ankoatra ny fitaovan-dakozia sy ny vorona isan-karazana, dia alain’ireo mpangalatra ny fahitalavitra sy ireo fitaovan-tokantrano lafo vidy, toy ny solosaina. Tsy re tsaika ireo mpangalatra raha ny volazan’ireo niharam-boina any an-toerana, fa ny trano efa voaroba sy ireo entana banga amin’ny maraina vao samy mikoropaka ny rehetra . Raha ny tao amin’ny fokontanin’Antsapamahazo izao dia kojakoja samihafa kosa no nasesin’ireo olon-dratsy. Ny fokontany  Antanambao, dia andrenesana tranga vaky trano sy hala-botry matetika ihany koa. Raha ny volazan’ireo mponina ao Mahazomà  taminay hatrany, dia misy zandary sy miaramila any an-toerana, saingya tsy mahasakana ny asa ratsy. Noho izany dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa ambony mba hijery akaiky amin’ity vaky trano izay mateti-pitrangana ao Mahazomà sy ny manodidina ity, ny mponina.

 Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici