- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMahazomà Maevatanàna : Miverina indray ny fandoroana trano tafo-bozaka hataon'olona tsy fantatra

Mahazomà Maevatanàna : Miverina indray ny fandoroana trano tafo-bozaka hataon’olona tsy fantatra

Rehefa somary nangina ny mahakasika ny trano-bozaka sy toeram-pivarotana nisy nandoro, efa tapa-bolana maro lasa izay dia miverina mamely ny mponina any an-tampon-tanàna ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna indray izany an-kehitriny. Raha nahazo vahana ity tranga fandoroana trano tafo-bozaka ity, tamin’izany andro izany dia nanao ny fikarohana niarahana ny Zandary sy ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana, saingy nisy adala mirenireny milalao afo amin’ny alina, ary nosamborina sy naterina avy hatrany, tao amin’ny tobin’adala any amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Taorian’izay anefa dia nilamina sy tsy nahitana trano-bozaka sy toeram-pivarotana nirehatra ny tany Mahazomà. Tampoka teo anefa dia niverina niseho izany ny sabotsy faha-05 Jolay taona 2025 teo, tokony tamin’ny iray ora maraina tany ho any, tao amin’ny fokontan’Ambovomavo, rehefa variana namonjy lanonana forazaza, izay nisy alim-pandihizana ny olona manodidina no nanararaotra ny nandoro ny trano tafo-bozaka iray ny navanon-doza. Soa ihany fa nalaky voafehy ny fifehezan’ny firehetan’ny afo. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra ny tena tompon’antokana sy mahavita manao fandoroana trano tafo-bozaka sy toeram-pivarotana any an-toerana izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici