- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahazoma-Maevatanàna : Nanao bemidina ny mpikamban’ny Dinabe

Mahazoma-Maevatanàna : Nanao bemidina ny mpikamban’ny Dinabe

Ny sabotsy teo no tonga nanao bemidina ho an’ireo mpikambana amin’ny dinam-pokonolona mikasika ny firosoana amin’ny fanatanterahana an’ireo fepetra samihafa notapahana nandritra ny fivoriam-be natao teto Maevatanana, niarahana tamin’ny OMC. Notsidihana  manokana ny kaominina Mahazoma, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny fomba hentitra no nambaran’ny prefen’ny faritra, ny antsipirian’ireo fitsipika noraisin’ny fitondrana mikasika ny kolikoly, ny fametrahana an’ireo paikady hisian’nyy fandriampahalemana. Isika no andrin’ny fampandrosoana ny eny amin’ny fokontany sy kaominina, ary tokony ho modely amin’ny zavatra rehetra. Mifampiankina ny asa rehetra. Aoka hoy izy tsy tokony hatao hialofan’ny “Mpanao ratsy” ny dinam-pokonolona. Ny tanjona iraisana, dia ny fijerena paikady hoentina manafoana ireo tambajotran- jiolahy. Anisan’ny tena zava-dehibe tamin’ireo olona nanatrika ny fahatongavan’ireo tompon’andraikitra ambony avy eto Maevatanana, ny fanamafisan’ny “prefet” ny tokony hanarahana ny fepetra rehetra mahakasika ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fahitana soritraretina cornavirus aty amin’ny faritra. Nandritra ity fivoriamben’ny dinam-pokonolona no nanafatra ihany koa ny kaomandin’i vondron-tibim-pileovana ny tokony hanavaozana indray ireo mpikambana ao aminy.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici