- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazomà-Maevatanàna : « Receveur »n’ny paositra nadoboka am-ponja

Mahazomà-Maevatanàna : « Receveur »n’ny paositra nadoboka am-ponja

Mihazakazaka be ny raharaha, rehefa eo am-pelatanan’ny sampana miady amin’ny kolikoly na ny PAC: Pôle Anti-corruption, makasika fisiana mpandraharaha ny paositra nanao fanodikodinam-bolam-panjakana, tao Mahazomà an-tampon-tanàna. Raha ny vaovao voaray farany hatrany, ny 22 May 2024 teo no nahazo didy fampisamborana an’i Ramatoa Flary djala Florine, tokony ho 39 taoan eo, izay mpandraharaha ny paositra na Receveur Paositra ao Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Zandary avy ao amin’ny borigady Maevatanàna, ka niroso tamin’ny fanadihadiana sy famotorana avy hatrany. Rehefa vita ny famotorana nataon’ny ny mpitandro ny filaminana taminy, dia ny Alakamisy faha 24 May 2024 teo no natolotra ny « PAC » tao Tsararano ambany any Mahajanga ny raharaha sy Ramatoa Florine ho hanokafana famotorana sy hanaovana fanadihadiana, makasika an’ilay fanodikodinam-bolam-panjakana tao amin’ny Paositra Mahazomà. Rehefa vita ny famotorana natao taminy, dia tsy niandry ela ny PAC na: Pôle Anti-corruption, amin’ny nampidirana am-ponja vonjimaika, azy ao Marofoto. Tsara hatrany ny mampahafantatra hatreto, fa mbola tsy nahenoana feo, makasika an’ilay volan’ny Paositra tao Mahazomà, izay very tsy hita popoaka hatramin’izao hanoratanay ny lahatsoratra izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici