Ny Alahady faha 17 Novambra taona 2024 lasa teo iny no lasan’ireo jiolahy dimy lahy nitondra basim-borona sy zava-maranitra ny omby niisa 28 tao am-bala, tao amin’ny fokontany Mahiagogo, kaominina ambonivohitr’i Sarobaratra, any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny, izany hoe: ato anatin’ny faritra Betsiboka. Ny angom-vaovao hatrany no nahalalana fa ny filoham-pokontany any an-toerana no nampandre ny Zandary sy nahafan’izy ireo nihetsika avy hatrany. Nifanehitra tao Antampoketsa ny fokon’olona sy ny Zandary nanara-dia ireo olon-dratsy, ka raikitra ny fifandonana teo amin’ireo telo tonta ny marainan’ny Alatsinainy faha 18 Novambra taona 2024 teo, tokony tamin’ny dimy ora tany ho any. Vaky lefa ireo malaso, taorian’izay no navalan’ireo teo ny omby halatra. Efa nomena ny tompony kosa moa ireo omby ireo. Nahavelom-bolo ny mponina ny vokatra azo no mitohy tsy misy hatak’andro kosa ny fikarohana ataon’ny Zandary an’ireo dahalo ireo.
Ratantely