- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Dimy lahy mitam-basy nanafika tokantrano, naratra ny tompon-trano

Mahitsy : Dimy lahy mitam-basy nanafika tokantrano, naratra ny tompon-trano

Tokantrano iray no nisy nanafika tao Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny  alin’ny Sabotsy hifoha ny Alahady teo. Araka ny vaovao voaray avy teo anivon’ny zandarimaria, dimy lahy tsy nanao saron-tava sy mirongo basy ary zava-maranitra no niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity, tamin’ny misasak’alina tany ho any. Avy hatrany dia norahonana sy nodarohana  ilay raim-pianakaviana tompon-trano ka norobaina tamin’izany ny vola 900 000 ariary, peratra volamena, fakantsary. Tsy maintsy nalefa haingana tany amin’ny hôpitaly ilay tompon-trano noho ny ratra mafy nahazo azy. Efa mandeha ny fikarohana ny nahavanon-doza.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici