- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahitsy : Feno vaky fasana

Mahitsy : Feno vaky fasana

Ny alin’ny alahady teo no nitranga ny vaky fasana. Fasana roa no indray vaky teo Mahitsy-Bejofo, ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana dia razana iray monja sisa no navelan’ireo olon-dratsy. Azo heverina ho razana lena ka tsy nilain’izy ireo. Fantatra koa fa tsy nionona tamin’ireo fasana roa ireo izy ireo satria noteteziny ny hafa teo amin’ny manodidina. Soa anefa fa tsy voavahan’ireo jiolahy izany ka mba tsy nisy ny razana izay very. Omaly ny valala mpiandry fasana dia samy nijerijery ny fasana fiandrin’izy ireo sao sanatria isan’ireo vaky. Tonga teny an-toerana koa ny mpitandro ny filaminana ary nanokatra fanadihadiana. Miverina mirongatra indray izany ny vaky fasana ankehitriny. Mbola omaly koa mantsy no nanafantarana fa nisy taolam-balo an’ny razana miisa 12 hafa lasan’ny olon-dratsy tany Ampanotokana, mbola Ambohidratrimo ihany io. Hatreto dia ireo taolam-paty no tena kendren’ireo olon-dratsy. Efa betsaka ihany izay fanadihadiana nandeha izay fa tsy nisy valiny ny amin’ny antony tena ilàna an’izany. Tao no nanazava fa hanafenana ireny « mercure » ireny mba tsy ho voataratry ny fitaovana fitsirihan’ny ladoany rehefa eny amin’ny seranan-tsambo na seranam-piaramanidina. Ao koa no nilaza fa hanaovana ireny fitaovana fampiasàna amin’ny fanatsaràna tarehy ireny (produit cosmétique). Tsy fantatra mazava hatreto izay tena hampiasàna azy fa ny tsikaritra kosa dia na ireo mpamaky fasana aza dia tsy mahalala izany hatrizay. Izy ireo hatrany koa no voasambotra ary tsy manana valim-panontaniana rehefa mandeha ny fanadihadiana. Ireo olona izay tena ao ambadiky ny raharaha koa dia tsy fantatra hatramin’ny farany hatrizay. Marary ny malagasy izany very razana izany ary manan-danja ho an’ny maro ny fasana. Midika ho fanimbazimbàna ny fomba ny famakiana azy ireny ary tena fanotàna fady tanteraka ny mikitika razana tsy an’ny tena izany. Zava-nisy efa am-polo taonany maro ny vaky fasana ary efa tokony hita soritra ny ao ambadik’izany mba hahafahana miady amin’ny atidoha nikotrika.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici