Niharan-doza ny sabotsy teo, tany ho any amin’ny 5ora sy sasany hariva tany, teo Antsevabe, Ampanotokana Mahitsy ny fiara taksibrosy iray, marika Sprinter, nitondra ny mpiasan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena avy namonjy ny fankalazana ny fidirana ofisialin’ny mpianatra ; izay natao tany Mahajanga. Mpandeha 13 tamin’ireo 17 tao anatin’ity fiara ity no naratra, ka ny 4 tamin’izany no tena voa mafy, tsy maintsy nalefa haingana teny amin’ny hôpitalin’i Bejofo. Nahitana faharatrana madinidinika kosa ireo mpiasa 10 hafa. Araka ny loharanom-baovao, vokatry ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny ara-teknikan’ity fiara ity no nahatonga ny loza. Teo amin’ny fidinam-be hihazo tetezana no tsy namaly intsony ny hisatra ka dia tafala tamin’ny arabe. Nivadibadika ity Sprinter ity raha ny fanazavana azo hatrany, kanefa tafarina tamin’ny kodiarany ihany, saingy niafara sy namantana teny an-tanimbary avy eo. Nidina tany an-toerana sy tonga nankahery ireo niharan-doza kosa ny Ministry ny fanabeazam-pirenena, Atoa Paul Rabary, ny alin’ny nisehoan’ny loza ihany.
m.L