- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversMahitsy : Fiara nivarina an-kady, olona iray maty, 16 naratra mafy

Mahitsy : Fiara nivarina an-kady, olona iray maty, 16 naratra mafy

Ny asabotsy alina teo, nisehoana lozam-pifamoivoizana teo anelanelan’ny tanàna antsoina hoe Antanetibe Mahazaza sy Mahitsy. Vokany, vehivavy lehibe iray no maty teo no ho eo, olona 16 hafa naratra ka ny dimy no tena voa mafy ary tsy maintsy nalefa aty Andrenivohitra notsaboina. Ny loharanom-baovao no nahalalàna fa fianakaviana avy namonjy mariazy taty Antananarivo ireto niharan-doza ireto. Handeha hody any Antanetibe izy ireo. Efa tany amin’ny 10 ora alina tany no niseho ny loza. Fiakarana mideza no nomban’ilay fiara. Voalaza fa ratsy dia ratsy ny làlana. Toa hoe niala izany làlan-dratsy izany ny mpamily kanefa dia nivarina tany anaty hady lalina mahatratra  70 metatra tany ho any. Ny tanànan’Antanetibe Mahazaza dia eo amin’ny 7 km miala ny tananan’i Mahitsy.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser