- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahitsy : Lehilahy efa nahazo LP mbola tratra nangalatra môtô

Mahitsy : Lehilahy efa nahazo LP mbola tratra nangalatra môtô

Lehilahy iray izay efa manana raharaha eny anivon’ny fitsarana ary nahazo fahafahana vonjimaika no mbola tratry ny zandary avy ao Mahitsy, teo am-pangalarana môtô indray ny  faran’ny herinandro teo. “Rehefa niantso vonjy tamin’ny zandary teny an-toerana ny fianakaviana iray izay nisy namaky ny tranony tamin’io ora voalaza io ka nahavery ny « môtô »-ny dia avy hatrany dia nanao fiaraha-misalahy ireo andrimasom-pokonolona sy ireo zandary ireo tamin’ny fanarahan-dia sy ny fanakanan-dàlana. Tokony ho 900m tsy hihazoana ny tanànan’i Mahitsy raha avy any Ambohimandray no nandalo nanosika io môtô io noho ny lalana mamotaka ka tsy hahafahana mitaingina izany io mpangalatra io ka nosamborin’ireo zandary roalahy voatendry hiambina teo fotsiny ary nentina natao famotorana tany amin’ny birao” hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Asa raha izany tokoa ny hoe tsy mety fay sa tanana efa zatra mitsotra. Raha ny fanazavana azo mantsy, dia efa voasambotra noho ny asan-jiolahy sy fandraisana anjara tamina fikambanan-jiolahy ity lehilahy tratra ity. “Efa nifindra teny Imerintsiatosika moa izy io hatramin’ny nahazoany fahafahana vonjimaika io kanefa dia izy izao mbola mandeha mamaky trano eny an-toerana izao io ihany”  hoy hatrany ny fanazavana azo. Araka izany, inoana eto fa angamba famonjana vonjimaika indray no hiandry azy eto, fa tsy fahafahana intsony.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici