Mihorohoro tanteraka ny faritry ny kaominina Mahitsy sy ny manodidina noho ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika misesy eny an-toerana. Manahy mafy ireo mponina fa hampihemotra ny fandrosoana ara-toekarena eny anivon’ny fiaraha-monina ny tsy fahafehezana izany tsy filaminana izany, hoy ireo raiamandreny avy any an-toerana ka tokony handraisan’ny mpitondra fepetra hentitra kokoa. Mitera-pahavoazana betsaka izany satria sady voaroba ny vahoaka no mbola mety ho voarohirohy tsy amin’antony ihany koa. Tsy maharaka ny asa tokony hataony intsony angamba ny zandary izay nisy tao hatramin’izay ka tsy mahavonjy taitra intsony. Voalazan’ireo mponina fa tratra aoriana foana ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana ireo na dia voantso ara-potoana aza. Vokany : manaram-po ny jiolahy ary miainga amina angom-baovao izay mety ho diso ny fanadihadiana ka mahasaringotra ny tsy manan-tsiny mihitsy indraindray. Tranga efa nihatra tamin’ny sefom-pokontany tao Ankazo izany. Efa voasambotra noho io fomba fiasa io ihany koa ny lehiben’ny tsena tao Mahitsy . Tsy lazaina intsony ny nisamborana olona maro mpiray tanàna nampangaina ho mpamaky trano tamin’ny zavatra tsy marina. Mba hialana amin’izany dia hetahetan’ireo raiamandreny ao Mahitsy ny hametrahana toby miaramila hanampy ireo zandary ao an-toerana.
T.M.