Nisehoana asan-jiolahy ny sabotsy teo, teny amin’ny faritry Mahitsy. Trano telo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatomitsangana Ampamotokana no voaroba tao anatin’ny alina iray. Jiolahy sivy nitondra basim-borona no tonga nanafika nanomboka ny misasakalina. Tao amin’ny trano volaohany, mpanangom-bokatra no nitondra faisana. Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina hatrany amin’ny 1 tapitrisa ariary. Raha nahita ny basy ny voatafika, tsy nisy afaka nihetsika. Raha vao nahazo volabe tao ireto olon-dratsy dia nifindra tao amina trano faharoa. Lasa daholo ihany koa ny vola rehetra tao. Tsy fantatra koa moa hoe ohatrinona izany. Mpamboly tsotra ireo olona ireo. Tsy nionona tamin’izany ireo mpandroba fa mbola nandeha tao amin’ny trano fahatelo. Very avokoa ny vola tao, hoy ny vaovao voaray. Raha vao nahita ny fahatongavan’ireo mpangalatra ny vehivavy iray tao an-trano dia nitsambikina avy eny ambaravaran-kely. Tapaka vokatr’izany ny tongony. Ankoatra izany, nampiasa basy ireo bandy, ka nisy olona iray ihany koa voatifitra. Rehefa azon-dry zalahy ny vola rehetra dia lasa niala ny tanàna izy ireo. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ary misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
r.s.