Olona roa vao avy nivarotra omby ary nitondra 18.600.000 ariary teny aminy no notsenain’ny jiolahy miisa dimy izay mitazona kalachnikov sy poleta (tena izy fa tsy vita gasy). Notifirin’ireo avy hatrany ireto farany ka samy naratra mafy vokatr’izany izy roalahy. Lasa ny volabe. Teny Ambatomitsangana, eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Ampanotokana, distrika Ambohidratrimo, no nitrangan’izany ny alin’ny alahady teo. Naterina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo naratra ary tetsy andanin’izany dia nifarimbona ny teo an-tanàna tamin’ny fanarahan-dia ireo jiolahy. Ny fokonolona, ny zandary ary ny miaramilan’ny Das no indray nirohotra nanenjika ny olon-dratsy. Tsy naharitra ela akory dia nifanena ny roa tonta ary nifanehatra. Raikitra ny fifampitifirana izay nahalavo ireo olon-dratsy miisa dimy. Raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana dia tafaverina ny 18 tapitrisa tamin’ilay vola. Ny roa tamin’ireo jiolahy no nanana kara-panondro ary ireo basy kosa dia tsy mbola nisy hita aloha hatramin’ny omaly. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny clinique Ankadifotsy ireo roalahy izay voatifitra.
D.R