Zaza valo taona no nokasain’ireo tsy valahara hamidy. Soa ihany fa teo am-panaovana ny asa ratsiny no tra-tehaky ny zandary izy ireo ary avotra soa aman-tsara ilay zaza.
Tena misy ary tsy honohono ny hala-jaza ! Toy ity nitranga tetsy amin’ny fokontanin’i Ambohimilemaka, kaominina Mahitsy ity. Araka ny fantatra dia nitrangana hala-jaza teny an-toerana ny herinandro teo. Zaza valo taona io very io nanomboka ny 11 septambra lasa teo. Nanao fanambarana teny anivon’ireo mpitandro filaminana ny fianakaviana ary nanomboka teo ny fikarohana ilay ankizy very. Tsy ela dia namokatra ny fanadihadiana satria nisy nampandre izy ireo fa misy vehivavy izany, mitazona ankizy, mitovy tsy misy valaka amin’ilay zaza tadiavina teny amin’io tanana io. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo zandary, ary izy ireo, ilay ramatoa nitazona ilay zaza an-keriny sy olona roa hafa, teo am-piadiana varotra ny vola ho sandan’ilay zaza no tra-tehaky ny zandary. Nentina avy hatrany nihazo ny birao ireto farany. Niaiky rahateo ilay ramatoa fa nangalatra ilay zaza, nitazona an-tsokosoko ary nikasa ny hivarotra azy tamin’ireo olona roa tao an-tranony. Niaraka notazomina natao andrimaso avokoa moa izy telo ireto ho amin’ny famotorana azy, talohan’ny nanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L