Mirongatra mihitsy ankehitriny ny fanakanan-dàlana. Ny zoma alina lasa teo, tany Ankadimainty, kaominina ambanivohitra Mahitsy, mpividy omby roalahy no lasibatry ny jiolahy, nirongo fiadiana. Vokany, naratra mafy ireto lehilahy roa ireto, lasa koa ny vola saika hividianan’izy ireo omby izay mitentina enina tapitrisa ariary. Tamin’iny làlam-pirenana fahefatra iny no nitranga ity fanakanan-dàlana ity, tokony ho tamin’ny valo ora alina. Saika handeha ho any Ampanotokana, ireto roalahy mpividy omby ireto, izay nandeha môtô, no nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy. Toa efa fantatr’ireto roalahy nanakana, izay nirongo basy poleta sy zava-maranitra, ny fisian’izy roalahy nitondra vola ireto. Teo amin’ny toerana maizimaizina rahateo no nanatanterahan’izy ireo ny asa ratsy. Nobahanana avy hatrany ny làlana, ka tafajanona tampoka ireo mpitondra môtô. Nambanan’ireo jiolahy ny fitaovam-piadiana teny an-pelan-tànany izy ireo. Somary nanohitra anefa izy roalahy ka tsy nisalasala ireto mpanafika ireto nidaroka sy namono ireo mpividy omby. Lasa nitsoaka niaraka tamin’ny vola tao anaty sakaosy moa izy ireo vao vita ny asa ratsiny. Olona sendra nandalo no nampandre ny mpitandro filaminana ary nitondra azy ireo tany amin’ny toeram-pitsaboana. Efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L