Voatifitra teo amin’ny tratrany sy ny sofiny havia ilay raim-pianakaviana. Izany no nitranga tany amin’ny fokontany Antongombato, ao amin’ny distrika Mahitsy. Tsy latsaky ny telo ny mpanafika ary avy any ambany rihana no niditra izy ireo. Tany ambony ny olona rehetra tamin’io fotoana io ary henon’izy ireo ny niavian’ireo mpangalatra. Teo dia efa nanomboka nampandre ny zandary ilay fianakaviana ary koa nitsoaka nivoaka ny trano. Rehefa hitan’ny jiolahy indray izany dia nanapoaka basy avy hatrany ireo. Teo no nahavoa ilay raim-pianakaviana. Ny zanany kosa dia nanohy nanavotra aina. Ireo no nifanena tamin’ny zandary izay mba tonga ara-potoana ka niditra an-tsehatra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana tao amin’ilay trano. Resy tosika anefa ireo olon-dratsy ka rifatra nitsoaka tao anatin’ny haizina. Nizotra tany amin’ny tanàna antsoina hoe Mahajia ny lalan’ireo mpandroba ireo. Mba tsy nisy na inona na inona azon’izy ireo tamin’ity fanafihana ity noho hafainganan’ny mpitandro ny filaminana. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly ao Bejofo ilay rangahy naratra ary mbola arahi-maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalamany. Sahirana hatrany ny olona amin’ny fiarovana ny ainy sy ny fananany raha vao mitondra basy ny mpanafika. Na an-drenivohitra izany na any ambanivohitra dia tsy misy na inona na inona azon’ny olona atao raha vao misy fitaovam-piadiana ny mpandroba. Tamin’ity aza dia efa mba niezaka nanavotra ny ainy ilay fianakaviana tamin’ny fitsoahana, kanefa mbola voatifitra ihany.
D.R