- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Pasitera notafihana fitolahy nirongo basy tao an-tokatranony

Mahitsy : Pasitera notafihana fitolahy nirongo basy tao an-tokatranony

Tokantranona mpitondra fivavahana indray no lasibatry ny jiolahy ny zoma lasa teo tao tany amin’iny faritra Mahitsy iny. Lasa tamin’izay ny vola sy entana maro tao an-trano, araka ny fampitam-baovao. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no tonga tao amin’ity tokantranona pasitera ity ny jiolahy fito lahy. Nisaron-tava, ary nirongo basim-borona sy zava-maranitra ireto olon-drasy ireto, izay nanao amboletra tao amin’ity trano ity. Raha ny fantatra hatrany dia tsy tao an-trano ilay mpitondra fivavahana tamin’io fotoana fa vehivavy iray natao hiambin-trano fotsiny no tao. Noho ny tahotra dia tsy afa-nanoatra ilay mpiambina hany ka nanao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy nibata izay zakany tamin’izany trano izany. Vita ny asa ratsy natao ary dia nandositra ireto farany. Na izany aza anefa tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra tamin’io fanafihana io. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary kosa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy atao’ireto farany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici