Notaterina tamin’ny taxi-brousse ilay zava-mahadomelina. Ny asabotsy teo, tamin’ny dimy ora hariva no nahazo vaovao tamin’olon-tsotra ny zandary momba ny fisian’ity raharaha ity. Natao avy hatrany ny fanamarinana avy amin’ny fisavàna izay fiara nandalo tamin’ny lalam-pirenena ary nitontona tamin’ity taxi-brousse iray ity ny nisy ilay “héroïne” iray kilao. Avy eo Talatamaty no niala ilay fiara fitaterana ary saika hihazo an’Antsiranana. Notazomina avy hatrany teo ny mpamily ary nogiazana ny baoritra nisy ny entana. Nafenina tao anatin’ny plastika misy “pates” ireo zava-mahadomelina. Avy amin’io mpamily io no nahafantarana zavatra maro dia ny momba ny tompon’ny entana izany. Fantatra araka izany teo fa vahiny no tompon’antoka voalohany ary teratany tanzaniana izy io. Natao ny vela-pandrika nisamborana azy ary fantatra fa efa saika hitsoaka teto Madagasikara izy tamin’ny fotoana nisamborana azy, teny Ivato. Io indray no nahafantarana ny olona mpandray ny entana tany Antsiranana. Noraisim-potsiny ilay vehivavy tompon’andraikitra tamin’izany rehefa natao ny paik’ady rehetra hamantarana sy hisamborana azy tany Antsiranana. Nalefa niakatra aty an-drenivohitra avokoa ireo olona telo izay voasambotra tamin’ity raharaha ity. Ireo mpandeha izay tsy manan-tsiny tamin’ilay taxi-brousse izay nampiasaina ho fitaovana nitaterana ny zava-mahadomelina dia voatery nafindra fiara hafa ny ampitson’ny zava-nitranga. Manaporofo ity raharaha ity fa tena misy eto amintsika ny trafika mahakasika ny zavamahadomelina avy any ivelany. Ho an’ireo nosy rahavavy dia toerana fandalovan’izany i Madagasikara ary ny tena hizoran’ireo entana dia any amin’izy ireo ny farany. Ny tranga toy izao kosa anefa dia manaporofo fa misy trafika anatiny koa eto amintsika ary misy mpanjifa eto amin’ny nosy.
D.R