Omaly maraina be teny amin’ny tanànan’i Manakambahiny eny Mahitsy, eo amin’ny PK 24,5, nisy lozam-pifamoivoizana niseho. Taxi-brouuse iray avyany Mahitsy ho aty Andrenivohitra no nifatratra tany amina trano fivarotan-kena. Vokany, olona folo no naratra ary nentina avy hatrany tany amin’ny trano fitsaboana. Voalazan’ny vaovao, fa tsy dia nisy naninona loatra ireo mpandeha, ka rehefa avy nojeren’ny dokotera dia afaka nandeha nody avokoa. Io maraina io, nisy fiara iray, Sprinter, nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Tamin’izay indrindra anefa, nisy “camion” nandeha ho any Mahitsy nitsofoka avy hatrany. Asa aloha na tsy nahita izany ilay fiara fitaterana, fa dia nitsofoka ihany koa ilay izy. Tery ny lalana ka dia navilin’ny mpitondra ilay taxi-brousse, nivoaka ny lalana niankavanana ary nifatratra tany amin’ilay trano fivarotan-kena.
Be dia be ny tsy fitandremana hita amin’ny lalana maro mpampiasa, sahala ny RN 4.Ny tompon’andrikitra dia mitaona hatrany ny rehetra hitandrina hatrany, satria ny loza vetivety dia tonga ary tsy milaza mialoha. Rehefa voa ny sasany vao manenina.
r.s.