Miverina indray ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena faha-4. Taxi-brousse iray nitondra mpivarotr’omby maromaro avy any amin’ny distrikan’Ambatomainty no voatafika tamin’iny làlana iny, ny zoma 12 aprily teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Jiolahy telo nanao taingin-telo tamina “scooter” ary nitondra basy poleta iray no nanakana ity fiara ity tamin’io fotoana io teo Ampanotokana . Tonga dia nanapoaka basy ireo jiolahy mba hampihorohoroana ireo rehetra tao anaty fiara. Ireto farany izay tsy afa-nanohitra, fa dia nanaiky mora foana izay nataon’ireo jiolahy nisava ireo mpandeha rehetra avy teo. Vokany, voaroba nandritra izany ny vola 50 tapitrisa ariary. Rehefa azon’izy ireo ny vola, dia nitsoaka nihazo ny làlana mankaty Antananarivo ireo mpanafika ary nandray fiara Peugeot 309; izay napetrak’izy ireo tao an-tanànan’i Mahitsy. Raha vao nandre izany fanafihana izany ny zandary avy ao Mahitsy, dia nanao ny fanenjehana avy hatrany. Nametraka sakana ihany koa ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’Ambohidratrimo ka azo sambobelona tamin’izany, tao amin’ny toerana atao hoe Ambavarano tsy lavitra an’Ambohidratrimo, ny iray tamin’ireo dahalo. Sarona teny aminy ny basy poleta vita gasy iray izay nampiasain’izy ireo. Mbola tratra tao anatin’ilay fiara nampiasain’izy ireo ihany koa ny vola 15 300 000 ariary tamin’ireo, vola nangalarina. Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy sisa mbola tafatsoaka.
T.M.