Jiolahy enina rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, no voasambotry ny zandary misahana iny faritr’i Mahitsy iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana azo, dia isan’ireo mpikambana ao amin’ilay fikambanan-jiolahy fantatra amin’ny hoe « bande des 8 », anisan’ireo nampitondra faisana ny teny amin’iny faritra iny ireto voasambotra ireto. Ireo olona izay fantatra fa avy nivarotra sy nahalafo omby no matetika lasibatra amin’izany. Efa maty paika tanteraka mantsy ny tetik’adin’ireto andian-jiolahy ireo, satria dia izy ireo mihitsy no milatsaka ho mpanelanelana na « ira-kely », araka ny fiantson’ny mponina azy any an-toerana, eo amin’ny mpivarotra sy mpividy. Fantatr’izy ireo amin’ny antsakany sy andavany araka izany izay olona nivarotra ka nahalafo ny ombiny, ary dia tongavany any an-tranony ny alina. Toy ilay nitranga tao Ambohimilemaka, Mahitsy, roatokom-bolana lasa teo izay. Mpivady izay fantatr’izy ireo fa mipetra-drery ary avy nahalafo ny omby no notafihany tao an-tranony. Efa fantany tsara anefa ireo varavarana sy varavarankelin’ny trano ka samy efa nisy jiolahy niambina tamin’izany. Iny vao nivoaka handeha hiantso vonjy ireto mpivady ireto no nasian’izy ireo tamin’ny famaky, ka ilay vehivavy no naratra mafy, voa teo amin’ny lohany. Tsy izay ihany anefa fa, efa maro ireo tokantrano no efa lasibatr’ity « bande des 8 » teny Mahitsy sy ny manodidina. Ary izay fanjakan’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana izay indrindra no nanosika ireo zandary misahana iny faritra iny hanatanteraka hetsika ho famongorana izany. Efa nanomboka tamin’ny 22 febroary teo izany hetsika izany, ary izao efa nahazoana vokatra izao sahady. Raha ny fantatra, dia mbola misy olona roa karohina fatratra amin’izao fotoana izao, naman’ireto efa tratra ireto.
m.L