Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena mianavaratra iny, ny alakamisy maraina lasa teo, teny Mahitsy. Môtô iray nentina zandary roalahy no nodomina fiara taxi-brousse handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Vokany namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy ilay zandary nitondra môtô. Naratra mafy kosa ilay nentina. Nisy tamin’ireo mpandeha tao anatin’ilay taxi-brousse ihany koa no naratra vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any no niseho ity loza ity, raha ny fampitam-baovao nomen’ireo mpitandro filaminana. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Nambaran’ny zandary nanao ny famotorana fa nodomin’ity fiara « mazda » ity avy ato aoriana ireto zandary roalahy nitondra môtô ireto. Nirahina nandeha hisolo ireo zandary namany nanao « poste fixe » tao Fihaonana izy roalahy ireto tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Mafy ny fifandonanana, satria dia nipitika lavitra mihitsy ny môtô sy ny olona teo amboniny, ary nivantana tany ambany kamiô, izay nindrana iny lalana iny ihany koa. Nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana tao Mahitsy ireo naratra. Saingy indrisy fa tsy tana ny ain’ilay zandary iray nitondra ilay môtô. Tapaka kosa ny tongon’ilay namany. Voatery nafindra taty amin’ny hôpitaly miaramila tao Soavinandriana ity naratra ity araka izany. Naterina tany amin’ny toby nisy azy tao Fihaonana kosa, ny vata-mangatsiakan’ity zandary namoy ny ainy ity.
m.L