- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Zandary tsy nisondrotra grady dia nitifi-tena

Mahitsy : Zandary tsy nisondrotra grady dia nitifi-tena

Nisotrosotro niaraka tamin’ny namany izy talohan’ny namonoany tena. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina dia naheno feom-basy nipoaka ny teo amin’ny manodidina ny tranony. Nilamina izany ary noheverin’ny olona angamba fa mety ho voapotsitra tsy nahy ny fitaovam-piadiana. Kanjo tamin’ny telo ora maraina, omaly, dia niverina indray ny feom-basy, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Teo dia tapa-kevitra ny olona ny hijery ny zava-misy. Nopitsohina ny varavarana niavian’ilay feom-basy. Akory ny hagagana teo raha nahita an’ity zandary efa mitsiatra tao anatiny tao. Niditra teo amin’ny saokany ny bala ary nivoaka teny amin’ny lohany, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso.

Maty tsy tsa-drano ilay zandary. Mitondra ny grady tsipika telo izy ary matetika misotro toaka, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny raharaha hatrany. Hatreto, ary raha araka ny resadresany farany tamin’ireo namany, raha araka ny loharanom-baovao mitovy ihany, dia noho ny hakiviany fa tsy isan’ireo izay nisondrotra grady izy no antony namoizany fo. Ny maraim-ben’ny omaly no nitrangan’ity famonoan-tena ity. Fantatra ihany koa fa tsy eto an-drenivohitra ny vady aman-janany fa any amin’ny faritra. Asa na mety hisy fifandraisany amin’izany ihany koa ny anton’ity famoizam-po ity. Hatreo ihany ny vaovao azo mahakasika ity raharaha ity na dia noezahina nanontaniana aza ny isan’ambaratongany. Ny tsikaritra dia ireo somary kely galona hatrany no tena tratran’ny famoizam-po. Isan’ny tadidy tamin’izay ilay mpiambina teny Mahazoarivo, taona vitsivitsy lasa izay, izay nanapa-kevitry ny nitifi-tena ihany koa noho ny antony izay nentiny niara-maty taminy. Ny fijerin’ny olona matetika dia raha vitany ny mamono ny tenany, mety ho vitany ihany koa izany ny mamono ny hafa. Manamafy hatrany izany fa tokony hatao ara-potoana ny fanaraha-maso ny toe-batana sy toe-tsain’ny mpitandro ny filaminana alohan’ny hanomezana azy ireo alàlana hitazona fitaovam-piadiana…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser