- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Asan-dahalo nandritra ny fametrahana samboady olom-boafidy

Maintirano : Asan-dahalo nandritra ny fametrahana samboady olom-boafidy

Izany no nitranga tany amin’ny tanàna antsoina hoe Berevo sur Ranobe, ao amin’ny distrikan’i Maintirano. Nandritra ny fametrahana samboady ny ben’ny tanàna vaovao tao amin’io toerana io, ny 21 febroary teo, no tonga koa ny dahalo nanao ny asaratsiny.  Ny andaniny nanohy ny lanonana saingy ny tao ambadik’izay dia nanararaotra koa ireo andian-dahalo naka ny omby  tao amin’ny tanàna. Kivy ratsy ny olona satria amin’izy ireo dia efa mihoatra ny loha ny zava-mitranga. Natrehan’ny manam-pahefana rehetra ny lanonana ary araka izany dia misy mpitandro ny filaminana miambina. Toa tsy nahoan’ny jiolahy anefa izany na koa nanakana azy tamin’ny asaratsiny. Andro ratsy tanteraka ho an’ny  vahoaka tao an-toerana iny andro iny satria raha lanonam-pifaliana no natrehina dia fahavoazana kosa no nihatra. Ho an’ny olona mantsy dia harena be ny omby ary iny no solon’ny tahiry sy ny banky ho an’ny faritra maro, indrindra fa ny any atsimo. Mangataka ity tanàna ity ny mba hijerena akaiky ny raharaha, satria raha sahy manafika eo imason’ny manam-pahefana ary ao anatin’ny lanonana ôfisialy ny dahalo dia heverin’izy ireo fa efa tsy voafehy intsony ny fandriam-pahalemana any an-toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici