- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Dahalo 10 lahy nanafika sy naka takalonaina ankizilahy 11 taona

Maintirano : Dahalo 10 lahy nanafika sy naka takalonaina ankizilahy 11 taona

Efa lasa fanaon’ireo dahalo ankehitriny ity maka olona atao takalonaina ity. Saika ahitana izany avokoa ireo faritra ambanivohitra mpiompy omby toy ity nitranga tany Maintirano, Faritra Melaky ny marainan’ny 9 Aprily lasa teo. Omby 32 no norobain’ny dahalo miisa folo mirongo basy tao amin’ny tanàna Atao hoe Mangadrodro, fokontany Bekinoly, kaominina Antsaidoha Bebao, distrikan’i Maintirano araka ny antso voarain’ny zandary any an-toerana io andro io. Nalain’ireo dahalo an-keriny ihany koa ny zanaky ny tompon’omby antsoina hoe Tantsaha. Raha vao nandre izany ny mpitandro ny filaminana nampian’ireo fokonolona dia nametraka paikady hanakanana ireo kizo tsy maintsy handalovan’ireo dahalo. Nilaza koa ireo zandary amin’ny toby manodidina mba samy hiambina izay manandrify azy. Nahomby tokoa ny paikady fa io 9 martsa io ihany, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro dia nandalo tao amin’ny kizo tao Mangasohihy, fokontany Ampoza ireo dahalo ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny mpanaradia. Nandritrany fifandonana dia vaky nandositra ireo dahalo ka avotra soa aman-tsara ilay ankizilahy nataon’izy ireo takalon’aina. Tafaverina avokoa ireo omby 32. Na izany aza anefa dia mpanaradia 2 no naratra voatifitr’ireo olondratsy. Nohezahana nentina haingana tany amin’ny hopitaly CSBII Antsaidoha Bebao izy ireo. Indrisy anefa fa tsy tana ny ain’ny iray tamin’izy ireo noho ny fahaverezan-dra be loatra. 24 taona ity tovolahy namoy ny ainy ity. Manolona izany dia naneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’iny maty ny zandarimariam-pirenena ary misoatra sy mankasitraka ny fiaraha-mientana nasehon’ny fokonolona mba hamongorana ny asan-dahalo any amin’iny faritra iny.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici