Taorian’ny nanafihan’ny andian-dahalo nitam-piadiana mpitondra fivavahana iray sy ny toby tantanan’ity Pastora ity, tao amin’ny fokontany Anaborano, Kaominina ambanivohitra Andranovao, any amin’ny distrikan’i Maintirano, faritra Melaky, dia voasambotra ny roa tamin’ireo malaso, afak’omaly. Mbola nanohitra ny mpitandro filaminana anefa ireto dahalo niravaka ody gasy maro, ka voatery niaro tena nitifitra ny tandroka aron’ny vozona, ka lavon’ny bala ireo mpanani-bohitra, ary tsy nandaitra ny ody gasy voalaza fa mahery teto. Mbola karohina fatratra atao hazalambo kosa ireo malaso tafaporitsaka naman’ireto dahalo namoy ny ainy ireto.
Eric Manitrisa