- Publicité -
dimanche, novembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaintirano : Dahalo telolahy matin’ny fokonolona

Maintirano : Dahalo telolahy matin’ny fokonolona

Dahalo telolahy, avy nanao ny asa ratsiny no matin’ny fokonolona tany amin’iny faritra Maintirano iny ny voalohandohan’ny herinandro teo. Tratra am-bodiomby avy nangalatra omby ireo dahalo ireto raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Iny faritra iny moa dia efa malaza ratsy amin’ity resaka tsy fandriampahelamana ity. « Amin’izay fotoana izao dia efa miova mihitsy ny fomba fiadin’ireo olon-dratsy, satria mamono olona izy aloha vao mangalatra » hoy ny fanazavàna avy amina tompon’andraikitra iray tany an-toerana. Ary izay indrindra no nahatonga ireo mpikambana eo anivon’ny Omc any an-toerana hanangana andrimasom-pokonolona izay miara-misalahy amin’ny mpitandro filaminana amin’ny fiambenana ny tanana. Tamin’io fotoana io, ela nitoratorahana loatra ireto olon-dratsy, izay efa mampahory loatra ireo mponina. Nifanojo tsara tamin’ny firavan’ny fivorian’ireto andrimasom-pokonolona tany an-toerana ny fandalovan’izy ireo. Raikitra avy hatrany ny fifanenjahana teo amin’ny roa tonta. Efa leo rahateo amin’ity resaka asan-dahalo ity ireo mponina any an-toerana ka nanambatra ny herin’iazy ireo hiadiana amin’izany. Raikitra ny fifandonana, ka telo tamin’ireo dahalo no maty voatifitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici