- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Fifandonana teo amin’ny dahalo sy ireo mpitandro filaminana

Maintirano : Fifandonana teo amin’ny dahalo sy ireo mpitandro filaminana

Andaniny, ireo miaramila sy ny zandary, ankilany, ireo andian-dahalo. Nifampitana tao anaty maizina tao ary feom-basy mitatatata no nitsena ny masoandro vao maraina. Tafaporitsaka avokoa moa ireo olon-dratsy, raha ny fanazavàna azo,  na dia nisy iray tamin’izy ireo aza naratra.

Ny zava-nisy. Nitrangan’ny fanafihan-dahalo mivaivay tokoa mantsy tao amin’ny tananan’Ambalasatra, Betanatana, distrikan’i Maintirano, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia dahalo am-polony maro teo ho eo, nirongo fitaovam-piadiana, basy sy zava-maranitra isan-karazany no nandroba ny omby am-polony tao amin’io tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona teo anetrahan’ny zava-nisy fa niandry ireo mpitandro filaminana, izay efa nampandrenesina mahakasika ilay fanafihana. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’izany dia tonga namonjy ireo fokonolona ireo zandary sy miaramila avy ao Betanatanana. Mazava ho azy, efa lasa ireo dahalo tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo ka dia nanenijika tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ireto farany, nampian’ireo fokonolona teo an-toerana. Raha ny vaovao azo hatrany, ny alarobia vao mangiran-dratsy no nifankatrata tao amin’ny tanànan’Ankilivalo, Analamamoko, Betanatanana ny roa tonta. Tsy nanaiky mora ny fanenjehana azy ireo dahalo ka avy hatrany dia nitifitra variraraka ireto mpanara-dia. Voatery namaly toraka izany ihany koa tetsy andanin’izay ireto farany. Naharitra fotoana elaela ihany ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Fantatra fa nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no naratra voatifitra tao anatin’izany fifandonana izany, izay anisan’ny nandrisika ireto farany, handao ny hazany ary hanao tsoa-pe handositra. Tafaverina avokoa araka izany ny omby rehetra, hoy hatrany ny vaovao. Mbola nanohy ny hazalambo sy ny fikarohana iretsy malaso kosa ireo mpitandro filaminana. Marihina, hoy  ny vaovao, fa tsy nisy naninona ireo avy aty amin’ny mpanara-dia. Ireo omby azo kosa, efa samy naverina tamin’ny tompony avokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici