- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Jiolahy roa indray lavon’ny polisy

Maintirano : Jiolahy roa indray lavon’ny polisy

Jiolahy miisa roa indray no lavon’ny balan’ny polisy miasa ao Melaky, ny alahady teo tao amin’ny kaominina Mafaijijo. Andian-jiolahy nikasa hanafika tanàna iray ao amin’ny kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano, no ravan’ny polisin’ny FIP Melaky. Angom-baovao vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo olona any an-toerana no nahafantarana ny fisian’ity fanafihana ity. Tsy niandry ela ny FIP tany an-toerana fa nidina avy hatrany teny an-toerana nijery ny zava-nisy sy nanao ny fandrika. Nifanehatra tamin’ireo mpitandro ny filaminana ireto jiolahy ireto ka lehilahy roa no maty voatifitra. Vaky nandositra kosa ireo enina namany. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Araka ny fanazavana azo avy any an-toerana dia miseho lany ny asan-jiolahy. Tsy voalohany ity saika nitranga ity, saingy izao voasoroka izao, ka nahafaly ny mponina any an-toerana. Mitaintaina andro aman’alina mihitsy ny olona amin’ny afitsoky ny jiolahy. Manao ny ainy tsy ho zavatra koa andaniny ny mpitandro filaminana amin’ny ady atao amin’ny asan-jiolahy. Nahitam-bokany izany ankehitriny ary heverina fa hitohy hatrany. Rehefa mandry fahalemana ny olona dia afaka mamokatra ary mivelona an-kalalahana. Anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy koa anefa na any amin’ny faritra na eto an-drenivohitra ny tsy fisian’ny asa. Lasa mirona amin’ny asan-jiolahy ny ankamaroan’ny tanora. Ny tena manahirana dia ny fahitan’izy ireny ny fitaovam-piadiana entiny manafika. Miparitaka ny basy. Misy ny mpamatsy basy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici