Nirefodrefotra ny basy tao an-tampon-tanànan’i Maintirano tao, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Izany dia vokatry ny fifandonana teo amin’ny andian-jiolahy sy ireo mpitandro ny filaminana, nahitana ny polisy, ny zandary ary ny miaramila. Vokany! Jiolahy rain-dahiny anankiroa no maty voatifitra. Iray tamin’izy ireo kosa no azo sambo-belona. Raha ny zava-nisy, « ny zoma 18 jolay lasa teo dia nitrangan’ny fanafiahana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambao SPM. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ary fantatra tamin’ny izany fa avy ao amin’ny “campement Andranonakanga”, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano, ireo jiolahy nanao fanafihana ireo ary mbola mikasa hanao fanafihana amin’ny fokontany Tanambao SPM ihany, ny andron’ny alarobia teo », hoy ny fanazavana azo avy tamin’ny polisy. Nametraka paik’ady avy hatrany araka izany ireo mpitandro filaminana ary tena nifanehitra tamin’ireto olon-dratsy tokoa. Raikitra teo ny fifampitifirana ary io niafara tamin’ny ra nandriaka io. «Nisy naman’izy ireo tafatsoaka ary mbola eo am-pikarohana azy ireo izahay », hoy hatrany ny vaovao. Mitohy kosa araka izany ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, any an-toerana.
m.L