- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Lehiben-dahalo milaza ho tsy laitram-by, maty voatifitry ny Zandary

Maintirano : Lehiben-dahalo milaza ho tsy laitram-by, maty voatifitry ny Zandary

Lehiben-dahalo iray mitam-basy  izay malaza ratsy sy ikoizana amin’ny halatra omby arahina vono olona sy fanakanan-dalana any amin’ny Distrikan’i Maintirano no maty lavon’ny balan’ny Zandary, tao amin’ny Fokontany Analakinapa, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andrea. Raha ny vaovao voaray, dia saika handroba ombin’olona (avy ao Antetezavato hoentina any Andrea) sivy teny an-dalana tamin’ny antoandro be nanahary ny dahalo telo lahy nitam-piadiana no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana, ka raikitra ny fifampitifirana, ary teo no nahafaty an’ity lehiben-dahalo niravaka ody gasy izay milaza ho tsy laitram-by. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici