Maty tsy tra-drano rehefa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity miaramila iray miasa ao amin’ny 2RM4 Tsiribihina. Araka ny vaovao voaray dia nokapain’ireo olon-dratsy ny famaky io miaramila io ary voa teo amin’ny sorony. Tsy vitan’izay fa mbola notifirin’izy ireo ny lohany. Voalaza fa niditra teo amin’ny sofiny havia ny bala ary gorobaka tany amin’ny handriny. Tany amin’ny fokontany Antsakoalamoty, kaominin’Andabotoka, distrikan’i Maintirano, ny alatsinainy teo tokony tamin’ny 5 ora sy sasany hariva nitrangan’ity habibiana ity. Nandeha irery ilay miaramila no sendra ireo dahalo telo lahy. Rehefa matin’ireo farany, nalain’izy ireo ny basy nentiny sy ny fahana feno bala iray. Tonga tany an-toerana ny zandary nanao ny fizahana ny razana, ary efa nisy ny fanarahan-dia avy hatrany. Natolotra ny fianakaviana ny razana. Nivory avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Hisy ny fepetra horaisina, ary mazava fa tsy maintsy hisy ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Manana basy mahery vaika iray ireo olon-dratsy. Ahiana ny mety hampiasan’izy ireo izany amin’ny asa ratsy ataony. Miandry ny tohin’ny raharaha ny rehetra. Efa mandry tsy lavo loha amin’ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy, na andrenivohitra na ambany vohitra.
Yv Sam