- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaintirano : Mirongatra ny fanafihan-jiolahy mitam-basy

Maintirano : Mirongatra ny fanafihan-jiolahy mitam-basy

Noho ny haratsian-dàlana, saika isan’andro ahenoana fanafahina mitam-basy foana ataona dahalo mpanakan-dàlana tato ho ato, ao Betanatanana 15 km tsy hiditra ny tanànan’i Maintirano, renivohitry ny faritra Melaky. Ny herinandro teo iny, olona roa voatafika, naratra mafy mbola tsy afa-mamindra, manaraka fitsaboana hatramin’izao.Rangahibe nandeha moto ny iray izay very vola dimy alina ariary. Sahy ireto andian-dahalo tanora ireto, ka na hatramina tranona lehibena mpitandro filaminana voatafika.
Mamaivay ihany koa ny lafiny tsy fandriampahalemana any amin’nydistrikan’ Antsalova sy Morafenobe, satria goragora ny fampiharana ny “ Dina Melaky Tsy mimpoly “. Noho ny tahotra an’ireo dahalo mitam-basy mamono avy hatrany, betsaka ny mponina any amin’ireo distrika telo voalaza ireo no mitsoaka ny tanànany, hoy Atoa Edmond, talem-paritry ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra any amin’ny faritra Melaky, nitafa manokana taminay omaly.
Manampy trotraka izany, hoy hatrany ity tompon’andraiki-panjakana ambony ity, ka mampiraviravy tànana ny vahoaka any an-toerana ny firongatry ny andiam-balala (kijeja) amin’zao. Potika tanteraka ireo voly sisa tsy difotry ny rano, na dia miezaka mamono valala aza ireo mpiasan’ny valala. Ny tahirim-panafody koa efa kely ny sisa, hoy ingahy DRDR. Manaitra ny avy ao amin’ny FAO ny mponina any an-toerana izay soloiny tena, mba handefa angidimby haingana hamonoana ireo andiam-balala. “ Raha tsy izany dia ahiana ny mosary amin’ity taona ity “.
Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser