- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaintirano : Mpivarotra voaroba 60 tapitrisa ariary

Maintirano : Mpivarotra voaroba 60 tapitrisa ariary

Maty paika ny fanafihana sy fandrobana nataon’ireo jiolahy, nandroba mpivarotra iray tany amin’ny tanàn’ Amboanana any Maintirano. Nandrasan’izy ireo avy nanao fisafoana ny zandary vao niditra amboletra tao amin’ialy fivarotana izy ireo. Efa tany amin’ny 9 ora alina tamin’izany. Nisy niditra avy hatrany ary nanambana basy ny tompon’ny trano. Ny sasany kosa voalaza fa niandry tany ivelany. Tsy afaka nanao na inona na inona ireo voatafika. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa manana basy ireo mpivarotra, basim-borona roa sy poleta iray. Tsy nanahirana ireo jiolahy izany fa niditra ihany izy ireo. Notakiany ny vola sy ny basy. Tsy nisy afaka nihetsika intsony fa dia nomena azy ireo mora foana izay notadiaviny. Ankoatra ny basy, lasa koa ny vola 60 tapitrisa ariary. Tamin’ny fotoana nanidian’ireo mpivarotra varavarana no niseho ny fanafihana. Vao nahazo ireo zavatra ireo ny jiolahy dia lasa nandeha. Tonga ny mpitandro filaminana avy teo, nefa efa tsy hita intsony ny mpandroba.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser