Na ny mijery an-dry zalahy ireto aza dia mampitahotra … Maloto akanjo, miravaka ody hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia, ary tsy vitan’izay fa tsy menatra ny mandatsa-drà sy mamono amin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana eny am-pelatanany. Na izany aza anefa, tsy nihemotra ihany koa ireo fokonolona, vonona hatramin’ny farany hiaro ny fananany nohariany an-taonany maro, noho ny fampianarana sy ny fanentanana nataon’ireo mpitandro filaminana.
Raikitra ary ny fifandonana mahery vaika teo amin’ireo mponina tao amin’ny fokontany Ampoza, kaominina Antsaidoha Bebao, distrikan’i Maintirano, sy ireo andian-dahalo tonga nanafika ny tananany ny alarobia lasa teo. Saika hangalatra omby anaty vala ireo dahalo tamin’io fotoana io, saingy nivonon-kiaro izany fananany izany ihany koa ireo fokonolona tao an-toerana. Nisy ny fifamaliana tifitra sy ny toraka zava-maranitra tamin’io andro io. Noho ireo traikefa efa nampianarin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana dia nisy tamin’ireo olon-dratsy no voan’ireo fokonolona. Tsy nisy nanombinana kosa ny avy aty amin’ireto farany. Vokany, tsy afa-nitsoaka niaraka tamin’ireo namany intsony izy ireo ka noraisim-potsiny teo. Efa fantatra anarana sy toerana niaviana kosa ireo namany hafa, niara-nanafika tamin’ireo fotoana io, hoy ny fampitam-baovao azo. Tetsy an-danin’izay dia nisy basim-borona « calibre 12 » sy ody gasy maromaro azo teny am-pelatanan’ireo malaso ireto. Nandritra ny fifandonana moa dia fantatra fa efa nampandrenesina ny zandary tany amin’iny faritra iny ary efa tonga ara-potoana tany an-toerana nanampy tosika ny herijikan’ireo fokonolona hiady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. « Nomena fankaherezana sy fankasitrahana ny fokonolona mba tsy hisalasala hampilaza avy hatrany amin’ny mpitandro ny filaminana sy hiaro tanàna raha misy tranga fanafihana ». Noraisin’ireo mpitandro filaminana tamin’izay moa ny tohin’ny raharaha ary efa mandeha ny fanaovana hazalambo ireo tafatsoaka.
m.L