Ambonin’ny omby nalainy dia mbola nanampatra ny habibiany tamin’ity rangahy tompon-trano ihany koa ireo dahalo. Tranga niseho tao Andrea, tany amin’iny faritra Maintirano iny, ny alarobia vao mangiran-dratsy teo. Naratra mafy vokatr’izay ity tompon’omby ity, ary voatery nalefa haingana namonjy toeram-pitsaboana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia niisa teo amin’ny efatra teo ireto dahalo nanafika tao amin’ity tanàna ity, mirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy vitan’ny famoahana ny omby tao am-bala fotsiny no nataon’ireto olon-dratsy ireto fa angamba mbola nitady vola tao amin’ilay trano izy. Ny sasany tamin’ireo malaso mantsy, raha ny fantatra, dia niditra an-keriny tamin’ity tokantrano notafihan’izy ireo ity. Ary tany amin’ilay raim-pianakaviana, izay mety fantatr’izy ireo fa mety hanohitra ny fanafihana nataony no nanamparan’ireto olon-dratsy ireto ny maha biby azy. Diam-pamaky sy zava-maranitra maromaro no niantefa teny aminy. Nandriaka ny rà. Ny lohany sy ny tongony no tena voa mafy ary tsy tafahetsika ilay rangahy. Hany ka nanararaotra namoaka ireo omby am-polony maro tao am-bala ireo dahalo ary nitsoaka avy eo. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, ary mandeha amin’izao fotoana izao ny fanarahan-dia ataon’ireo zandary sy ny fokonolona any an-toerana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.
m.L