- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Zandary roa indray maty voatifitry ny dahalo

Maintirano : Zandary roa indray maty voatifitry ny dahalo

Azo lazaina fa isan’ireo volana mainty ho an’ny fianakaviam-ben’ny zandary ity roa volana faran’ny taona ity. Zandary roalahy indray mantsy no lavo teo am-pamitàna ny adidiny omaly tany amin’iny distrika Maintirano iny : ny zandary kilasy faharoa Ravalisoa Lovatiana Marcellin sy ny zandary kilasy voalohany Razafimanjaka Tsilefy Velondrazana.

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia nirahina hanao « escorte » mpiasan’ny Instat dimy mirahalahy tany Antsaido/Bedao izy roalahy ireto no tojo fanafihan-dahalo tampoka, tao amin’ny tananan’Antsilimiango, fokontany Ambanja. Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany maraina tokoa mantsy, araka ny fanazavàna azo dia nisy antso vonjy momba fanafihan-dahalo tany amin’io tanana io. Nirefodrefotra ny basy. Tsy nisalasala izy roalahy ireto, nanao vy very ny ainy, nandray ny andraikiny avy hatrany, eny fa na dia tsapan’izy ireo aza fa eo anatrehan’ny hery roa tsy mitovy. Raikitra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ireo mpanafika sy ireto zandary, izay hany mpitandro filaminana teo an-toerana. Nampiseho herim-po fatratra izy roalahy, niezaka hatramin’ny farany niaro ireto fokonolona sy ny fananany. Indrisy anefa. Voan’ny balan’ireo malaso ary lavo hatrany ny zandary iray. Niezaka ihany ilay namany, nanohy ny fitifirana, enti-manosika ireto olon-dratsy saingy fotoana fohy ihany koa dia lavo an-tany niadiana. Nalalaka tanteraka teo ny lalan’ireo dahalo ary nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fandrobana ny tanana. Lasan’ireo tamin’izay ny omby sy ny entan’ireo mpiasan’ny Instat. Marihana, hoy ny vaovao, fa tsy nisy naninona ireto mpiasam-panjakana ireto. « Lavo teo am-panatanterahana ny asany izy mirahalahy, teo am-piarovana ny olona sy ny fananany ka hisy ny fanaovam-beloma azy ireo farany ara-miaramila ao amin’ny Toby Ratsimandrava anio maraina » hoy ny hatrany ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici