Raha ny fantatra dia fomba telo matetika ny filatsahan-kofidiana ho an’ny olona iray. Voalohany dia ny fitsipika ifampifehezan’ny antoko misy azy, faharoa dia ny feon’ny fieritreretany fa manana herijika hifanandrina amin’olona ilay mpilatsaka, fahatelo kosa dia ny fangatahan’ny vahoaka eo amin’ny faritra na kaominina misy azy. Olom-pirenena rahateo ny tenany, araka ny nambarany, ka mahatsiaro ho manana adidy amin’ny fitondrana anjara biriky ho fanarenana an’i Toamasina, ka tsy hitako ny sakana amin’ny filatsahako ho ben’ny tananan’i Toamasina. Izay no resaka nifanaovana tamin’ny Maitre Christian Razafimanana tamin’ny mpanao gazety. Nisy koa hetsika hampivondronana an-kolaka alohan’ny fotoana, ka nikarakara hetsika fifaninanana hatsaran-tarehy ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo ny alahady teo. Raha iverenana ny tantara dia isan’ny nangataka teo imasom-bahoaka nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena teto Toamasina, ity PDS tamin’ny fotoana naha-Pds azy, mba hilatsaka hofidiana ny taona 2020. Ka izay tsy fahafahany milatsaka tamin’ny mbola Pds azy izay no hilatsahany amin’izao. Na mbola tsy ofisialy aza ny fanambarany dia ny Maitre Razafimanana Christian no kandida sahy hifanintsana amin’ny ben’ny tanàna ankehitriny amin’ny fifidianana.
Malala Didier
Mila olona mahasahy manadio mihitsy ny CUT, ahena ny mpiasa fa maro loatra, birao iray efa hisy secretaire 08, raha ny vola miditra ao amin’ny commune urbaine Toamasina anefa mbola be alavitra noho ny an’ny CUA, raha tsy hiteny afa-tsy ireo conteneurs avy ao amin’ny Port. Mila Ben’ny Tanàna sahy mamerina ireo Espace Vert maro dia maro ihany koa izay efa trano en dure no mijoro amin’iireny toerana ireny. Ny posy, ny tuc tuc dia ny famerenana ny bus no vahaolana satria tsy zakan’ny vahoaka intsony ny sarandalana 3000 Ar (aller retour).