- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMalaimbady : Mpanao “kidnapping” miisa 6 maty voatifitra, 7 hafa azo sambo-belona

Malaimbady : Mpanao “kidnapping” miisa 6 maty voatifitra, 7 hafa azo sambo-belona

Noho ny ezaky ny Zandary mampandry fahalemana any Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo izay notarihin’ny komandà Nadezy, avy ao amin’ny Cirgn Toliara, dia jiolahy rain-dahiny miisa fito malaza ratsy sy ikoizana amin’ny fanaovana “kidnapping” sy fanafihana mitam-piadiana mahery vaika amin’iny faritra iny no azo sambo-belona. Dahalo enina hafa kosa maty voatifitry ny mpitandro filaminana. Araka ny tati-baovao voaray, dia ny sabotsy teo no natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Morondava ireto mpaka takalonaina an-keriny tra-tehaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici